VONJEO AHO FA JAMBA !!!!!

Nampidirin'i leokirizy | 16 Des, 2009
Mandinika aho mijery
Ny manodidina ahy mianjera
Tontolo feno hadalana
Aleo angamba jamba

Nahoana no dia izao sisa no iainana
Nahoana no dia izao sisa ny fiainana
Firenena te-hiarina mafy
Tafintohina an-dàlana, voa maika tafalentika any @ ratsy

Aleo angamba jamba fa tsy tafa ity ry akama
Ny akama ko vao hita d "ampindramo" lava
fa tsisy hamahanana vava

Iny làlana iny ono, toa lalan-tsarotra
Jerena ankehitriny , vao mainka tsy ho avotra

Soatoavina najoro
Narodan' ny vola moramora
Mba sokafy re ny maso
F'efa be ny mikoso-maso

Fahasambarana ve?
mifoha maraina de haratsiana sy habibiana
Fahasambarana ve?
hatory ny hariva kibo noana no hotsindriana

Jamban' ny vola,
Aiza kay ny fizarana vola?
Tsisy fetra ny any am-paosy
nefa etsy akaiky mpitari-posy sy mpangaro-paosy

Jamban' ny vola,
Ilay fihavanan-drazana
Tsara levona any am-pasana
Tsy hita intsony izay jerena
fa tena mahonena

Raha vola ny Mpanjaka,
Tena aleoko angamba jamba

Jambam-pahefana,
ovaina ny làlana sady basy arangaranga
Tsara fahana no sady efa nanandramana.

Ranomaso sisa no betsaka
ny tosi-drà miha-reraka

NEFA raha mbola misy aina
Ny fanantenanay tsy ho karakaina
Ny faran-teny dia izao
Aleo hanao fa mbola misy ratsy noho izao
eto @ izao tontolo izao

Ny maso sarobidy
Ny ho farany rahateo koa tiana ho hita
hataontsika fitadidy

Alarobia 9 Desambra 2009 (4ora hariva)

Fehezan-teny mampieritreritra (mahatsikaiky)

Nampidirin'i leokirizy | 1 Des, 2009
"Vonona hitelina sahona aho" (Pr Ratsiraka)
Ho tombon-tsoa ambonin' ny firenena ary dia samia r'izy efatra mirahalahy mianaka mitelina ny sahony.


A force de vouloir sortir  de la crise, le pays est pris comme dans un sable... "MOUvANT"


Faly éry ny sasany fa hoe mbola tsy hiverina i "Dada" , matahotra izy ny tena marina satria tsy hisy horesahina afa-tsy i Dada rehefa tafaverina.

Rehefa raikitra ny ady(na samy ato atrano aza) iza no tokony lohan' ny laharana vonona hiaro ny firenena tsy ny tafika ve? sa ny vahoaka? Ny eto Madagasikara toa le vahoaka matanjaka noho ny tafika kanoa!!!(iza amin'izy roa no nisy namoy ny aina na naratra)


Fanjakana nalaina an-keriny , ho esorina an-keriny.